♦ Voasambotra androany maraina teny Behoririka ny sekretera jeneralin'ny antoko TIM Riana Randriamasinoro. Nosakanan'ny mpitandro filaminana tsy afaka niditra tao amin'ny Magro Behoririka ireo saika hanatrika ny fihaonambe ho fanavotam-pirenena nokarakarain'ny RMDM... ♦ Tokony hamaly ny antson'ny FFKM ny amin'ny hisian'ny fiaraha-midiniky ny ankolafin-kery samihafa ny mpitondra hoy ny antoko FIAM... ♦ Misedra olana maro ireo kaominina misitraka tombontsoa amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany hoy ny vovonana OSCIE. Tokony halefahana ny fepetra ahafahan'izy ireo mahazo ny anjara vola amin'izany...

 

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...