♦ Fanararaotana ny fahasahiranam-bahoaka no andikan'ny mpanohana ny fitondrana ny hetsika kasain'ny RMDM atao amin'ny sabotsy izao. Tsy mihevitra ny haka na ametraka fahazoan-dalana ny RMDM amin'io hetsika io satria ambarany fa ao anaty toerana manokana sy mifefy... ♦ Vola hatrany amin'ny 4.600.000.0000 Ariary no heverina hiditra ao anatin'ny kitapom-bolam-panjakàna ao anatin'ilay fifanaraham-piara-miasa amin'ny jono lamàtra... ♦ Miditra amin'ny herinandro fahadimy ny fitokonana ataon'ireo mpiasan'ny ministeran'ny raharaham-bahiny Malagasy ankehitriny. Tsy nisy nandritra izay iray volana mahery izay na ny dinika na ny fihaonana nataon'ny ministra mpiahy tamin'ireo mpiasa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...