♦ Nampahafantarina ireo mpiara-miombon'antoka sy mpisehatra amin'ny tontolon'ny rano, omaly, ny drafitr'asa miisa 05 ho entin'i Madagasikara any amin'ny fivoriana COP27... ♦ Hojeren'ny FMI ny hampihenany ny trosan'ireo firenena Afrikana. Nihena lasa 34 miliara dôlara ihany ny natokan'ny FMI hanampiana ireo firenena Afrikana amin'izao krizy misy eran-tany izao... ♦ Manaiky ny hisokafan'ny orinasa Base-Toliara hanohy ny asa fitrandrahana fasimainty ao aminy ny ankamaroan'ny mponina ao Benetsy, kaominina ambanivohitra Ankilimalinika, distrika Toliara-II...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...