♦ Nihatra nanomboka ny maraina teo ny saran-dalana 600 Ariary ao an-drenivohitra sy ny fiakarana 100Ariary ho an'ny zotra manodidina. Efa niroso tamin'izany avokoa ny ankamaroan'ny zotra rehetra, taorian'ny hevitra tapaka, omaly... ♦ Milaza fa mahita firenena vahiny vonona hamatsy solika an'i Madagasikara amin'ny vidiny mirary ny antoko Otrikafo. Miankina amin'ny finiavana politikan'ny mpitondra hiala amin'ny gejan'ireo kaompanian-tsolika misy eto amintsika no hahatanteraka izany, hoy izy ireo... ♦ Mitaraina amin'ny fitondram-panjakàna ireo fokonolona any Ambalalova-Avaratra, Ambalavao-Tsienimparihy. Alain'olom-bitsy ny tanin'izy ireo 8 ha, araka ny fitarainan'ny solontenam-pokonolona tonga aty an-drenivohitra...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...