♦ Ny fametrahana ny "structure de prix" no vahaolana, ahafahana mifampiraharaha amin'ireo mpandraharaha ara-tsolika, manoloana ny fiakaran'ny vidiny atsy ho atsy, hoy Andriamatoa Paul Rabary... ♦ Mbola nanohy ny fitokonana androany ireo mpampianatra mpitsara ny fanadinana BEPC, eny amin'ny foibem-panadinana LMA Ampefiloha. Namoaka ny "vacation" an'izy ireo ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena, nanoloana ity tranga ity... ♦ Nampiantso fivoriam-be tsy ara-potoana ireo Ligim-paritra 12 ao amin'ny Federasiôna Malagasin'ny Karate, manoloana ny olana misy eo amin'ity taranja ity...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...