♦ Hafindra ao Tampoketsa distrika Ankazobe ny fitaovam-piadiana sy ny fitoerany ao amin'ny RAL teo aloha ao Imerintsiatosika. Ny fitaovam-piadiana goavana hafindra ao Arivon'Imamo, noho ny tetik'asa fananganana ny tanàna vaovao Tanamasoandro... ♦ Nisafidy ny Faritra Analanjirofo sy Androy hatao filamatra tsy hisian'ny fametrahana diky ankalamanjana ny fitondram-panjakana. Madiva ho fongotra ny fanaovana maloto ankalamanjana ho an'ny Faritra Androy. Kaominina 54 amin'ny 58 no efa niala tamin'izany... ♦ Vonona hampiakatra ny vokatra ronono eto Madagasikara ny tantsaha mpiompy. Mitaky tohana ahafahan'izy ireo misitraka karazan'omby afaka manome ronono 20 litatra mahery ny mpiompy ao Ambohijafy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...