♦ Niroso tamin'ny fitetezana efitrano sy ny fanidiana izany androany ny sendikan'ny SECES Sampana Antananarivo. Mandrahona ny hihetsika ihany koa ireo mpianatra, ao aorian'ny fe-potoana telo andro izay nomeny... ♦ Mbola misy ireo orinasa mpikojakoja lalana manana trosa amin'ny fanjakana. Miankina amin'ny toromariky ny Fiadidiana ny Repoblika no ahafahan'ny Tahirim-bolam-panjakana mandoa izany, hoy izy ireo androany... ♦ Mangataka ny hampiharana antsakany sy andavany ny lalana mifehy azy ireo, mba hisian'ny fifaninana malalaka, ny sendikan'ny Mpandrefy Tany Mpahay tsy miankina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...