♦ Nofaranana omaly ny fanamarihana ny faha-100 taona ny seminera zandriny eny Ambohipo. Notokànana sy notsofin-drano tamin'izany ny tsangambaton'ny jobily fankalazàna... ♦ Nanamarika ny fetin'ny reny isika teto Madagasikara omaly. Miatrika fahasahiranana  ny reny amin'ny fiakaran'ny vidim-piainana, hoy ireo renim-pianakaviana nanaovana fanadihadiana teny an-dalambe teny... ♦ Mbola nisy tranga Covid-13 ka tranga 63 isa indray no hita tao anatin'ny herinandro. Marary 02 no matin'ity valan'aretina ity, raha ny antontan'isa navoakan'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka... ♦ Nahafaty olona 79 isa farafahakeliny ny ora-mikija any Brésil. Olona maherin'ny 50 no tsy hita popoka vokatry ny fiavian'ny orana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...