♦ Tsy ho isan'ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy intsony i Abel Anicet Andrianantenaina. Anio no hiainga ho any Ghana ny delegasion'ny Barea avy eto Madagasikara sy ireo mpilalao avy any La Réunion... ♦ Ho ataon'ny fanjakàna laharam-pahamehana ny fanovàna ny rafitra ara-tsakafo manaraka ny fenitra sy ny rafi-pamokarana ho an'ny fampandrosoana ara-toekarena maharitra eto Madagasikara... ♦ Mihanaka koa ankehitriny ny zava-mahadomelina "héroine" ka anisan'ny lasibatra amin'izany ny ankizy 13 taona, hoy ny ivon-toerana Aro-Aina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...