♦ Nitombo avo telo heny noho ny teo aloha ny vola nahiahiana fa nofotsiana teto Madagasikara tamin'ny taona 2021. Vola 1.800 miliara Ariary no nahiana fa maloto, nefa nampiasaina teto amintsika, raha ny tatitry ny SAMIFIN androany... ♦ Nasiam-panovana ny lalan-jotran'ny "téléphérique" mampitohy an'Anosy amin'Ambatobe... ♦ Tsy tratra ny tanjona tamin'ny fanatanterahana ny drafi-pirenena fampandrosoana ny fambolem-bary 2016-2020. Tsy nihoatra ny 4% isan-taona ny tahan'ny famokarana teto amintsika, hoy ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, androany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...