♦ Miroso amin'ny dingana manaraka amin'ny fanadiovana ireo volamena iray taonina mahery voahangona ao amin'ny Banky Foiben'i Madagasikara hananany lanja amin'ny fifanankalozana iraisam-pirenena isika Malagasy hoy ny ministry ny harena ankibon'ny tany sy ny loharanon-karena ara-stratejia... ♦ Tsy mbola misy fiatraikany eto Madagasikara ny fampihatoan'i Indonezia ny fanondranana menaka. Tsy hatahorana ny mety tsy ho fahampiany hoy ny tompon'andraikitra ao amin'ny ministeran'ny varotra... ♦ Saro-piharo amin'ny fizakan'ny malagasy ny taniny ny Tafi Mihaavo. Nifampidinika tamin'ireo tompon'andraikitra ao amin'ny ministera misahana ny fananan-tany izy ireo momba ilay lalàna vaovao mifehy ny fananan-tany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...