♦ Tsisy olana eo amin'ny solombavambahoakan'Ikongo, sy ny filoha Andry Rajoelina. Anatin'ny antoko TGV soa aman-tsara Andriamatoa Razafitsihandraofa Brunelle, ary manabevoho izany antoko izany, araka ny nambarany omaly... ♦ Tsy ho ampy iatrehana ny fiakaran'ny vidim-piainana ny tahan'ny fiakaran'ny karama raha mbola latsaky ny 30%, hoy ny Vondron'ny mpiasa malagasy... ♦ Hihatra amin'i Madagasikara ny sazy amin'ity taona ity raha mbola tsy tomombana ny fampiharana ny fepetra iraisam-pirenena amin'ny fivezivezena ara-bola tsy ara-dalàna, toa ny famatsiam-bola sy fampiasam-bola amin'ny ady amin'ny asa fampihorohoroana, hoy ny Transparency International...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...