♦ Niditra an-tanety tao Toliara-II tamin'ny 5 ora folak'andro teo i Jasmine, ilay rivo-doza tao amin'ny lakan-dranon'i Mozambika. Hivoaka an-dranomasina any amin'ny faritra atsimo-atsinanana indray izy rahampitso... ♦ Fisodrotan-karama 30% hoy ny SSM vao ampy iatrehana ny fiakaran'ny vidim-piainana ankehitriny. Tara hoy izy ireo ny fanapahan-kevitry ny fitondrana hidinika amin'ny sehatra tsy miankina amin'ny famaritana ny tahan'ny fiakaran'ny karaman'ny mpiasa... ♦ Nohenoina teny amin'ny sampan-draharaha foibe misahana ny ady amin'ny heloka an'habaka indray ny mpanolotsainan'ny tanànan'Antananarivo renivohitra Clémence Raharinirina niaraka tamin'ny Lily Rafaralahy... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...