♦ Mety hiditra any Toliara anio tolak'andro ilay rivo-doza Jasmine ao amin'ny lakan-dranon'i Mozambika. Mampihatra ny fepetra miloko mena ny distrikan'i Toliara I-II, Sakaraha ary Betioky manomboka amin'ny 3 ora...  ♦ Tsy tokony hampiova ny fomba hitakiana ireo "iles éparses" ny fahalanian'Andriamatoa Emanuel Macron ho filoha frantsay, hoy ny antoko V.H.T. Miantso ny fanjakàna hanamafy ny hetsika fitakiana ireo nosikelintsika ireo ity antoko ity... ♦ Nihena 20% ny taham-pahafatesan'ny zaza malagasy latsaky ny dimy taona,  vokatry ny aretina tazomoka. Fihenàna, vokatry ny fanampian'i Etazonia tamin'ny ady natao, nanomboka ny taona 2008, hoy ny tatitry ny masoivoho amerikana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...