♦ Niantso ny filohan'ny Antenimieran-doholona hanaja ny fisaraham-pahefana ny SMM. Nanao fanambarana ny SMM fa talanjona tamin'ny nilazàny fa hampiantso ny Bianco sy ny PAC, momba ireo ben'ny tanàna notazomina am-ponja... ♦ Vola 111 miliara Ariary eo ho eo nogiazana, noho izy ireo azo tamin'ny tsy rariny. Nilaza ny CSI fa tsy azo ampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana ireo vola ireo, raha tsy tafapetraka tsara ireo rafitra miady amin'ny kolikoly... ♦ Nihemotra tamin'ny fanapahan-keviny ny fitondram-panjakana manoloana ilay lalàna vaovao momba ny fananan-tany izay nampitaraina ireo fiaraha-monim-pirenena. Haverina hodinihina eny amin'ny Antanimieram-pirenena indray izy io manomboka izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...