♦ Tanterahina anio maraina eny amin'ny Ekar Antanimena ny "Messe chrismale" ho an'ny Arsidiôsezin'Antananarivo... ♦ Notanterahana omaly teny Andraharo ny dinika savaranonando, nandraisan'ny antoko politika ivelan'ny fitondrana sy ny fiaraha-monim-pirenena anjara nanomanana ny fikaonan-doham-pirenena. Ampy tsara hoy ireo mpandray anjara ny 18 volana hanitsiana ny lesoka amin'ny fifidianana... ♦ Marin-toerana sy manaja ny fetra napetraky ny fitondram-panjakana ny vidin'ny entana teny amin'ny mpaninjara, raha nidina tampoka nijery ny zava-nisy teny an-tsena ny ministry ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...