♦ Notanterahana androany teny Andraharo, ny dinika savaranonando nandraisan'ny antoko pôlitika ivelan'ny fitondrana sy ny fiarahamonim-pirenena anjara, hanomanana ny fikaonan-doham-pirenena. Ampy tsara, hoy ireo mpnadray anjara, ny 18 volana hanitsiana ny lesoka amin'ny fifidianana... ♦ Nidina teny amin'ny tsenan'i Mahamasina sy Anosibe androany, nijery ny vidin'entana ilaina amin'ny fiainana andavanandro, ny Minisitra Edgard Razafindrahahy sy ny mpiara-miasa aminy. Mari-toerana ny vidin'entana, izay no tsoa-kevitra nandritra izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...