♦ Voatendry ho tale kabinetra sivily eny anivon'ny fiadidiana ny repoblika, mandimby an-dRamatoa Lovahasiniriana Ranoromaro lasa talen'ny serasera Ramatoa Baomihavotse Vahinala Rahariniriana, ministry ny tontolo iainana teo aloha... ♦ Nidina an-dalambe naneho ny alahelony sy ny hatezerany ny mpianatry ny EN3 Ampefiloha Oniversite Antananarivo. Tsy mbola nahazo ny vatsim-pianarany 5 volana... ♦ Hanamafy ny fiaraha-miasa hanabeazana ireo ankizy voafonja ny ministeran'ny Fitsaràna sy ny UNICEF, resaka nivoitra nandritra ny fitsidihan'ny solontenan'ity farany eto Madagasikara tao amin'ny Ministry ny Fitsaràna...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...