♦ Hanova ireo ministra vitsivitsy ao anatin'ny governemantan'ny praiministra Ntsay Christian ny filoham-pirenena. Hanao tombana ny asa vitan'ireo ministra, Andriamatoa Andry Rajoelina, hisy fanapahan-kevitra aorian'izay... ♦ Mamita iraka eto Madagasikara ny talem-paritry ny FIDA aty Afrika atsinanana sy atsimon'i Afrika, Ramatoa Mbango-Bhunu, fanamafisana ny fiaraha-miasa momba ny fampiroboroboana ny asa famokarana eny ambanivohitra... ♦ Hitondra ny raharaha any amin'ny BIANCO ny Randrana sendikaly raha misy tokoa ilay famoahana vola be tao amin'ny CNaPs, niparitaka tao amin'ny tambazotra sôsialy...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...