♦ Hijery manokana ny fanampiana ireo traboinan'ny rivodoza Batsirai ny vondrona erôpeana, araka ny fanambaràn'ny masoivohony miasa eto amintsika. Nisy ny fikaonandoha niarahana tamin'ny Firenena Mikambana... ♦ Efa azo ampiasaina amin'ny ampahany ny RN-7, taorian'ny fahatapahany, azo hifamoivoizana hatreo Ambalavao, hoy ny ministry ny asa vaventy... ♦ Kendrena ho voavaha tanteraka amin'ity volana ity ny "délestage" amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo, hoy ny eo anivon'ny Jirama. Hanampy an'i Andekaleka amin'ny famokarana herinaratra ny ao Farahantsana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...