♦ Niakatra hatramin'ny 60 avo heny ny hetran-trano ao an-drenivohitra izay nofaritan'ny Kaominina Antananarivo. Mila fandinihana ny famaritana ireo tarehim-bola ho amin'izany, hoy ireo Mpanolotsain'ny Tanana avy amin'ny lisitra Kombà, androany... ♦ Tsy tokony ataon'ny fintondrana resa-be hakana ny fon'ny vahoaka amin'ny fifidianana ilay raharaha famaizana tany Andekaleka, hoy ny antoko Humaniste Ecologique... ♦ Voavaly amin'ny ampahany ny fitakian'ireo vondron'ny sekoly tsy miankina eto Antananarivo, ho fiomanana amin'ny fiverenana an-tsekoly...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...