♦ Nofoanana ny hetsika saika hamaranana ny fanamarihana ny faha-100 taonan'ny Seminera Zandriny Ambohipo, anton'izany ny zava-misy ara-pahasalamana eto Antananarivo... ♦ Nisy bolongam-bolamena 49 kg naondrana antsokosoka, tratra tatsy amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena atsy amin'ny nosy Comores. Misy teratany Malagasy roa voarohirohy amin'io raharaha io... ♦ Hodiovina ny lakan-drano C3, mirefy 17 km, manondraka tanimbary maro eny amin'ny lemak'i Betsimitatatra. Haharitra tapa-bolana ny asa iarahana amin'ny APIPA...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...