♦ Entina hihazo an'Antsirabe ny alatsinainy 20 desambra izao ny Lakroan'ny JMJ Mada. Hetsika hisantarana ny fandraisan'ny diôsezin'Antsirabe ny JMJ andiany faha-10, amin'ny taona 2022... ♦ Mitohy omaly ny fitsaràna ireo voarohirohy amin'ilay raharaha Apollo 21. Jeneraly roa no anisan'ny nohenoin'ny fitsaràna, ankoatra ny mpiasa iray eo anivon'ny Banky Foiben'i Madagasikara... ♦ Misy amin'ireo sekoly ao an-drenivohitra no efa nampiato ny fampianarana amin'izao. Niteraka resa-be ihany izany fampitsaharana fampianarana izany, noho ny resaka fiparitahan'ny Covid-19...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...