♦ Nahatsiaro ny namoronan'i Jesoa Kristy ny Eokaristia na ny Fanasan'ny Tompo omaly ny kristianina. Tamin'ny alalan'ny fotoam-bavaka tsy natrehanam-bahoaka teny amin'ny FLM 67Ha no nanehoan'ny FFKM izany... ♦ Tsy nahitana olona nitondra ny Coronavirus tamin'ny fitiliana natao omaly. Mijanona ho 93 ny isan'ireo olona mitondra ny tsimok'aretina...
♦ Hankalaza ny hateloana masina manomboka anio ny kristianina. Amin'ny alalan'ny fotoam-pivavahana tsy atreham-bahoaka anefa no hanatanterahana izany ho fisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina Covid... ♦ Manara-maso ireo toerana misy ny tsy fanajana ny fihibohana ao aorian'ny amin'ny 12 antoandro ny ao amin'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena...
♦ Hotanterahina eny amin'ny Katedraly Andohalo anio maraina manomboka amin'ny 08 ora, tsy atrehan'ny kristianina, ny fanamasinana ny menaka masina ho an'ny arsidiôsezin'Antananarivo... ♦ Manana zava-maniry ahafahana manasitrana ny aretina ateraky ny Coronavirus i Madagasikara...
♦ Hotanterahina eny amin'ny Katedraly Andohalo, ny Alakamisy Masina 09 aprily 2020, tsy atrehan'ny kristianina, ny fanamasinana menaka masina ho an'ny arsidiôsezi'Antananarivo... ♦ Olona vaovao dimy indray no voatily hatramin'ny androany antoandro, fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco