♦ Mampihena ny risipon'ny mpiasan'ny fahasalamana ny fitaovana ampiasain'izy ireo ihatrehana ny valan'aretina Covid-19. Tsy mbola nisy hoy ny sendika 6FM ny fampitaovana vaovao ho azy ireo... ♦ Mailo amin'ny firongatry ny tsimokaretina Coronavirus eto an-drenivohira ny ao amin'ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety, na ny ATT...

♦ Mpianatra am-polony voasambotra, mpitandro filaminana telo naratra, vokatr'ilay korontana, nifandonan'ny mpianatra sy ny mpitandro filaminana tao amin'ny Oniversiten'Antsiranana... ♦ Tsy misy ny fampiasàna seza afovoany anaty fiara fitanteram-bahoaka eto Antananarivo... 

♦ Nifandona indray alina ny mpianatry ny Oniversiten'Antsiranana sy ny mpitandro ny filaminana. Nirefodrefotra ny basy sy ny baomba mandatsa-dranomaso... ♦ Tsy laharam-pahamehana ny resaka fanadihadiana parlemantera nataon'ireo loholona teo aloha, fa ny asa fampandrosoana no mahamaika, hoy ny filoha vaovaon'ny Antenimierandoholona omaly...

♦ Miankina amin'ny dinika iarahana amin'ny mpanohitra ny fanendrena izay ho solontenan'izy ireo eny Anosikely, hoy ny Filohan'ny Antenimierandoholona Razafimahefa Herimanana, androany... ♦ Efa manamafy ireo fepetra fisorohana ny Covid-19 avokoa ny fianarana sy ny fiangonana ankehitriny...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...