♦ Fahamarinan-toeran'ny Ariary manoloana ny vola vahiny : volamena 250 kilao no ezahin'ny banky foiben'i Madagasikara ho vidiana hatramin'ny faran'ny taona, hatao tahiry... ♦ Dingam-panofanana ZATRA : ny antilin'i Madagasikara no mampiantrano azy, ny diôsezin'i Fianarantsoa kosa ny mpiofana mpanampy... ♦ Andriamtoa Jail Bolsonaro, filoha Breziliana : vonona ny hiara-hiasa amin'ny filoham-panjakana amerikàna ary mankatoa ny maha filoha voafidy an'Andriamatoa Joe Biden any Etazonia...
♦ Niatrika ny solombavambahoaka tetsy amin'ny CCI Ivato ny mpikambana ao amin'ny governemanta notarihan'ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ho an'ny mpanjifa androany ny tolotra vaovao eo anivon'ny Jirama amin'ny alalan'ny Internet sy ny finday... ♦ Nankatoa ny fahalanian'Andriamatoa Joe Biden, ny lehiben'ny antoko repoblikana ao amin'ny antenimieran-doholona amerikana Mitch McConnel...
♦ Natomboka androany teny Ankorondrano ny andron'ny tomban'ezaky ny politikam-pirenena momba ny fampandrosoana... ♦ May androany ny tanànan'i Nato any amin'ny distrikan'i Vohipeno, faritr'i Vatovavy Fitovinany, miantso vony ny mponina noho ny fahavoazana... ♦ Namoaka tatira ny sampan-draharahan'ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana fa tsy ampy sy tsy zarizary ny famatsian-drano ho an'ny iray ampaha-efatry ny toeram-pitsaboana maneran-tany...
♦ Fifanatrehan'ireo solombavambahoaka sy ireo ministra, etsy amin'ny CCI Ivato : anisan'ny tena itarainan'ireo solombavambahoaka ny tsy fandriam-pahalemana... ♦ Volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2021 : kasaina hahena hatrany amin'ny 20.000 Ariary ny fatana gazy ary ahidina ho 5% ny hetra alaina amin'ny fivarotana gazy... ♦ Fitsaràna miaramila : tsy misy fanasaziana na fanaboridanana olona hoy ny ministeran'ny fiarovam-pirenena...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco