♦ Hatramin'ny mitatao vovonana teo, 19 ireo olona mitondra ny tsimok'aretina Corona Virus...♦ Manomboka amin'ity herinandro ity, dia hisy sarom-bava hatramin'ny 40.000, hovokarin'ny orinasa iray eto an-toerana ihany...♦ Mampahatsiahy ny mpitandro ny filaminana fa anatin'ny hamehana ara-pahasalamana i Madagasikara, ka tokony tsy hivezivezy eny an-dalam-be ny rehetra...

♦ Mihena tsy toa ny omaly ny olona mbola mivezivezy an-dalambe amin'izao andro faharoan'ny fihibohana an-trano hisorohana ny fiparitahan'ny tsimoka'aretina Corona Virus...♦ Nanome toromarika ny tompon'andraikitry ny sekoly katôlika manerana ny nosy Mompera Jules Ranaivoson momba ny fanatratrarana ny fandaharam-pianarana amin'izao fihatoan'ny fampianarana izao...♦ Tsy mbola ahitana olona mitondra ny tsimok'aretina Corona Virus ao amin'ny distrikan'Antsirabe...

♦ Olona 17 no mitondra ny tsimok'aretina Corona Virus eto Madagasika... ♦ Ampy sy tsy misy ahiana ny tahirin'entana ilaina amin'ny fiainana andavan'andro... ♦ Mampihatra ny fepetra tsy hidiran'ny tsimok'aretina Corona Virus any aminy ny tompon'andrikitra ao amin'ny Faritra Bongolava... ♦ Nampihatra ny tsy fahazoana mivoaka ny trano mandritra ny telo herinandro ny britanika.

Noraisin'ny Papa François ny marainan'ny alakamisy 23 janoary 2020 tao Vatican ny Birao maharitry ny Fivondronam-ben'ny Evekan'i Madagasikara, notarihin'i Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana.

[Miara-dàlana] Zoma 20 septambra 2024

♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...