♦ Natomboka omaly ny fanamboarana ny RN-6, Ambanja sy Atsiranana.  235 000 000 dolara no hanamborana izany... ♦ Nametraka fanamby hampamiratra an'i Madagasikara amin'ny alalan'ny fanamafisana ny diplôlmasia ara-toekarena ny ministry ny raharaham-bahiny malagasy raha nihaona tamin'ireo masoivoho vahiny omaly... ♦ Hisy fahatahana ny ampahan-dalana ao antampon-tanànan'Antananarivo mandritra ny roa volana, ho fanoloana fantsona mpitondra ranon'ny JIRAMA...

♦ Natomboka androany ny fanamboarana ny lalam-pirenena fahenina, mampitohy an'Ambanja sy Antsiranana. Nametraka ny vato fototry ny fanombohan'ny asa ny Filoham-pirenena androany... ♦ Tsy mankato ny herisetra atao amin'ny olona, amin'ny endriny rehetra, ny Fiangonana. Navoitran'ny Eveka mpanampy eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, tamin'ny famelabelaran-kevitra nataony izany, androany...

♦ Tafiditra ao anatin'ireo firenena telo maneran-tany, mbola ahitana pesta miverimberina i Madagasikara... ♦ Fotoana tsara handinihana sy hanatsarana ny lalana mifehy ny fifidianana, izay tsy mampitovy hevitra ny mpisehatra pôlitika izao, hoy ny CFM...

♦ Nitory eny main'ny Fitsarana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, miaraka amin'ny vadiny. Fitoriana miantefa amin'ny gazety iray mpiseho isan'andro, izay namoaka vaovao momba ilay raharaha niparitaka tamin'ny tambajotran-tserasera tamin'ity herinandro ity... ♦ Nahatratra 578 miliara Ariary ny vola noahiahiana fa nofotsiana teto Madagasikara tamin'ny taona 2020. Tsy nahasakana ny fampiasam-bola maolto ny fisian'ny krizy nentin'ny Covid, hoy ny tatitry ny SAMIFIN, androany...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...