♦ Hihazo an'i Abidjan Côte d'Ivoire anio ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina, hiatrika ny fihaonana antampon'ny IDA. Fivoahana ôfisialy voalohany, hatramin'izay nisian'ny hamehana ara-pahasalamana... ♦ Ny filoham-pirenena sy ny Praiministra ihany no tompon-teny amin'ny hanovàna ireo mpikamban'ny governemanta na tsia hoy ny antoko VHT... ♦ Namafisina indray ny fanaraha-maso ireo misalotra lokon'akanjon'ny mpitandro filaminana eny an-dalam-be. Hisy ny fisamborana ireo hita misalotra na mivarotra azy ireny...
♦ Mikasa ny hamory ireo rantsa-mangaikany eto Antananarivo ny Rodoben'ny mpanohitra, hikaon-doha momba ny ambara fa tsy fetezan-draharaha eto amin'ny firenena... ♦ Olona telo indray no matin'ny Covid-19 eto amintsika, araka ny tarehimarika ôfisialy omaly. Tafakatra 936 ireo namoy ny ainy vokatr'izany, tato anatin'ny herin-taona mahery... ♦ Olona 45 amin'izao no efa namoy ny ainy, vokatry ny korontana misy atsy Afrika-atsimo, taorian'ny fisamborana sy nampidirana am-ponja ny filoha teo aloha Jacob Zuma...
♦ Misy mikasa hanodikodina ny raharaham-pitsarana momba ny an'i Nasandratra Valimbavaka izay maty nisy namono tetsy amin'ny kianja basket Bani Ivato. Lavin'ny fianankavian'ny maty ny fikasàna hanao raharaham-pihavanana... ♦ Nitombo indray ireo matin'ny coronavirus, nanamafy etsy ankilany ny tompon'andraikitry ny ministeran'ny fahasalamambahoaka fa mbola tsy tonga eto Madagasikara ny variant Delta... ♦ Tsy mifanentana amin'ny teti-bola azon'ny faritra ny zava-bita any Amoron'i Mania, hoy ny solombavambahoaka voafidy, avy ao...
♦ Mandrahona hitokona ireo mpiasan'ny CTC eto Antananarivo. Manome 48 ora nanomboka omaly izy ireo, handoavana ny tambin-karama 3 volana tsy voaloa... ♦ Manaitra ny rehetra ny KMF/Cnoe fa mbola ao anatin'ny ady amin'ny Covid-19 isika. Tokony hifanaraka amin'ny kabary sy ny fepetra lazaina ny fandraisana andraikitra... ♦ Nandefa taratasy misokatra any amin'ny filoham-pirenena ny fikambanana nasiônalin'ny tantsaha eto Madagasikara ho tohin'ny tsy faneken'izy ireo ilay lalàna vaovao momba ny fananan-tany...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco