♦ Natsahatra tamin'ny asany eo anivon'ny Federasiona Malagasy Baolina Kitra, Andriamatoa Arizaka Rabekoto Raoul. Ireo Filoha lefitra telo no hitantana vonjimaika ny Federasiona... ♦ Manambana ny hametraka rafitra ara-panjakana hiahy ny asa fanaovan-gazety ny "Cellule de crise", raha toa ka voatazona ny datin'ny fifidianana ny biraon'ny holafitry ny mpanao gazety... ♦ Nosokafana androany, ny fetin'ny Sambatra ao Mananjary...
♦ Nodimandry omaly ny Jeneraly Fidy. Nahafantarana azy ny raharaha 2002, nitarihany ny zana-dambo nanohitra ny miaramila miara-dia tamin'ny filoha teo aloha Ny amiraly Didier Ratsiraka tao Andohanatady-Fianarantsoa... ♦ Tanterahana any Ambositra ny andro siantifika ho an'ny IST andiany faha enina. Mandray anjara avokoa ny IST telo eto amin'ny nosy... ♦ Tafidina hatrany amin'ny 60 000 Ariary ny iray kilaon'ny Lavanila masaka any amin'ny distrika Vohipeno. Kivy tanteraka ny mpamboly...
♦ Nanamarika ny andro eran-tany ho an'ny mpanabe ireo mpampianatra mivondrona anaty sendika samihafa. Miantso ny mpitondra hanome lanja ny sehatr'asa fanabeazana izy ireo... ♦ Hanandratra ny asa tanana, vita amin'ny hoditra amin'ny alalan'ny varotra fampirantiana ny mpisehatra : Hetsika Ankora gasik'Art eny Antaninarenina... ♦ Hitohy isan'andro manomboka izao ny famendrahana ranom-panafody mamono tsimok'aretina ho an'ny fiara fitanteram-bahoaka an-drenivohitra...
♦ Nomarihana androany ny andro eran-tany ho an'ny mpanabe. Tsy diso anjara tamin'ny fankalazana ireo mpampianatra mivondrona anaty sendikà... ♦ Hitohy isan'andro, manomboka izao, ny famendrahana ranom-panafody mamono ny tsimok'aretina, ho an'ny fiara fitateram-bahoaka ao an-drenivohitra. Natomboka androany teny Analamahitsy izany...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco