♦ Amin'ny volana septambra izao no tokony hiverina ny fifandresen-dahatra eo amin'ny Lafrantsa sy i Madagasikara amin'ny fitakiana ireo Nosy manodidina na ireo îles éparses... ♦ Mitohy ny fitakiansika ny hampodiana ilay volamena 73 kg tratra tao Afrika-Atsimo. Mbola misy ny fandaminana ara-politika sy ara-pitsarana... ♦ Hivoaka amin'ny volana oktobra izao ny vokatry ny fanadihadiana ataon'ny banky iraisam-pirenena, mikasika ny fiatrehan'i Madagasikara ireo loza sy ny tandindon-doza, ka ho ampahafantariny amin'ny tapaky ny volana novambra ny vola hanampiany an'i Madagasikara izany...
♦ Eo am-pamaranana ny fanomanana ny fandraisana ny JMJ Mada andiany faha-10 ny any amin'ny diôsezin'Antsirabe. Tany an-toerana omaly ny filohan'ny fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, nijery izany... ♦ Hatsaraina hampiasàna ny haitao ara-kajy mirindra amin'ny alalan'ny tetik'asa PRODIGY ny sampan-draharaha misahana ny sora-piankohonana sy ny kara-panondrom-pirenena. Tetik'asa vatsian'ny Banky iraisam-pirenena vola 86 tapitrisa Dolara... ♦ Matin'ny zandary nandritra ny fifandonana tao Andranofasika distrikan'Amparafaravola omaly maraina ny jiolahy mitam-piadiana mpaka an-keriny miisa 7 tarihan-dRAKIPIKIPY...
♦ Hatsaraina, hampiasana ny haitao ara-kajy mirindra amin'ny alaln'ny tetikasa Prodigi, ny sampan-draharaha misahana ny sora-piankohonana sy ny karapanondrom-pirenena eto amintsika... ♦ Miantso vonjy amin'ny fanjakana mahefa mba hanampy azy ireo, ireo tra-boina vokatry ny firehetan'ny trano tao amin'ny Fokontany Analanjavidy, any amin'ny Distrikan'i Mananjary... ♦ Matin'ny zandary nandritra ny fifandonana tao Andranofasika, Distrikan'Amparafaravola androany maraina, ny jiolahy mitam-piadiana, mpaka an-keriny, miisa fito notarihan-dRakipikipy...
♦ Hanomboka anio atsy Afrika-Atsimo ny fivorian'ireo Parlemantera panafrikàna. Parlemantera malagasy miisa efa no nandeha niatrika izany, hidinika ny fahafaha-miatrika ara-tsakafo aty Afrika... ♦ Hisy ny fanavaozana fahazoan-dalana mitrandraka ho an'ireo efa nanana izany. Fepetra noraisin'ny fanjakàna izany, mba afahan'izy ireo miasa aloha, mandram-pivoakan'ny lalàna vaovao mifehy ny harena ankibon'ny tany... ♦ Tsy tokony mbola hovahàna ny fahafaha-manondrana harena ankibon'ny tany any ivelany, hoy ny Alliance-Voahary-Gasy. Nambaran'ity firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny tontolo iainana ity fa mbola manjavozavo miteraka kolikoly ny zava-misy amin'izao...
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco