♦ Hotanterahina amin'ny alakamisy izao, amin'ny 1ora sy sasany tolakandro, ao amin'ny katedraly Notre-dame de la Salette Antsirabe, ny Lamesa fisaorana an'Andriamanitra sy fandevenana an'i Mgr Philippe Ranaivomanana... ♦ Didim-pitsarana hosoka telo indray no tratra teo anivon'ny fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo tamin'ity herinandro ity. Niakatra fitsaràna omaly ny olona iray... ♦ Hanampy ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana, amin'ny handavorariana ny fifidianana eto amintsika ny sehatra ara-pifidianana ho an'ny demokrasia maharitra aty Afrika na ny EISA, ka niara-nanao sonia ny roa tonta omaly...

♦ Nodimandry androany maraina ny Evekan'Antsirabe, Mgr Philippe Ranaivomanana. Ny alakamisy tolakandro izao no hotanterahana ny Lamesa fisaorana an'Andriamanitra sy ny fanaovam-beloma azy... ♦ Tokony hisy fanadihadiana mahaleo tena hatao ao anatin'ny fotoana fohy ny raharaha tany Ikongo, hoy ny mpiandrariny miahy ny zon'ny vahoaka, Ratsirahonana Lala... ♦ Ivon'ny atrikasa notanterahan'ny OIT androany, ny momba ny dinika ara-tsosialy. Nandray anjara ny avy amin'ny Minisiteran'ny Asa, ny solontenan'ny mpampiasa ary ny sendikalista...

♦ Nodimandry androany maraina ny Evekan'Antsirabe, Mgr Philippe Ranaivomanana, noho ny tsy fahasalamàny ; araka ny fanambaràna navoakan'ny Fivondronamben'ny Eveka, manoloana izao voina mihatra izao... ♦ Naneho ny alahelony ny Federasiôna malagasin'ny baolina lavalava tamin'ny fanampiana ara-bola ny Maki Ladies hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany "rugby à 7". Tsy nahazo afa-tsy ny ampaha-efatry ny vola nangatahana, nentina nihazo an'i Cape-Town... ♦ Manahy mafy ireo mpitantana fa hihena be amin'ity taom-pianarana vaovao ity ireo mpianatra mandranto fianarana eny amin'ny sekoly tsy miankina. Misy amin'izy ireo no nampihemotra ny fidirana, noho ny fisian'ireo mbola tsy niverina nisotra anarana...

♦ Notsipahan'ny ministry ny fitsaràna ny filazana fa ny tsy fahatokisan'ny vahoaka ny fitsaràna no nahatonga ny tranga tany Ikongo. Mbola ao anatin'ny fanadihadiana ny fitondram-panjakana hoy izy... ♦ Mitokona ireo mpiasa contractuel eo anivon'ny INSTAT nanomboka omaly. Nakaton'izy ireo ny toeram-piasàny eny Anosy, ka tsy maintsy namoha ny vavahady ny tompon'andraikitra... ♦ Olona  500 no hahazo asa mendrika amin'ny fanadiovana ny lakan-drano ny Canal GR mirefy 14km ao an-drenivohitra. Tantsaha 70.000 isa ihany koa no hovoavatsy rano amin'ny tanimbarin'izy ireo amin'izao tetik'asa izao...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...