♦ Ho fampahafantarana ny olom-pirenena ny lalàna sy ny zony, hiadiana amin'ny fanaovana kolikoly dia atomboka anio eny Talatan'i Volonondrry ny hetsika "Fiara Zo" na ny "Caravane de Droit"... ♦ Mbola mahatratra hatrany amin'ny 30% ny olona tratry ny tazomoka any atsimo atsinanana, taha ambony indrindra eto Madagasikara. Any Farafangana noho izany no hanamarihana ny andro eran-tany hiadiana amin'ny tazomoka, amin'ny 9 jona izao... ♦ 2 tapitrisa ny kara-tany ho zarain'ny Fanjakàna hatramin'ny volana desambra. Ny 561.039 no efa voazara tamin'ny alalan'ny tetik'asa CASEF. Andro fahatelo amin'ny heriandro ho an'ny kara-tany ny anio...

♦ Andro iraisam-pirenena ho an'ny fizaka-manana ara-tsaina na ny "propriété intellectuelle" ny anio 26 avrily. Loha-hevitra entina hanamarihana izany amin'ity taona ity ny hoe : "Ny vehivavy sy ny fizaka-manana ara-tsaina, mitantsoroka amin'ny fanafainganana ny fahitana vao sy ny famoronana"... ♦ Sakana ho an'ny fahitan'ny tanora asa ny tsy fananany fahaiza-manao sy traik'efa takian'ny orinasa. Lalana iray hitondra ho amin'ny fampandrosoana ny fanofanana arak'asa ny tanora hoy Mopera Bizimana Innocent, lehiben'ny Salezianina eto Madagasikara sy Maurice... ♦ Nanomboka tamin'ny fomba ôfisialy teny amin'ny lycée Rabearivelo Analakely ny hetsika "Asako rahampitso" andrian'ny faha-15, haharitra hatramin'ny zoma 28 avrily 2023...

♦ Tanterahana eny Ampefiloha mandritra ny telo andro, ny dinika hiresahana ny olana momba ny fanofanana arak'asa. Miara-miombona antoka ny Fikambanana Salezianina Don Bosco Madagasikara sy ny Minisiteran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'asa... ♦ Mpianatra 8000 isa, avy amin'ny Lisea miisa valo ao an-drenivohitra, sy any amin'ny Distrika telo hafa, no misitraka fahalalana amin'ilay hetsika "Asako rahampitso", nanomboka androany, hatramin'ny zoma ho avy izao...

♦ Manambana hanao fitokonam-be ireo mpamily fiara vaventy mpitatitr'entana amin'ny lalam-pirenena faharoa mankany Toamasina, noho ny mbola faharatsian-dalana. Fiarabe 10 no efa nivadika tao Mandraka tao anatin'ny roa volana, vokatr'izany... ♦ Olona 5000 isa eo ho eo, avy aminà fianakaviana 1000 isa, no tratry ny kere any amin'ny Distrikan'i Vangaindrano amin'izao. Mbola tsy voamarina hatramin'izao ny fisian'ny olona matin'izany hanoanana izany hoy ny eo anivon'ny BNGRC... ♦ Mirongatra amin'ny toerana samihafa eto Antananarivo sy ny manodidina ny tsy fandriam-pahalemana amin'izao. Nirefodrefotra omaly teny amin'ny 67Ha atsimo, jiolahy iray nirongo basy notifirin'ny Pôlisy tamin'ny andro antoandro...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...