♦ Tsy mbola nilaza ny hevitry ny HCC ny filohany androany, raha nanontaniana momba ilay raharaha fizakan'ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny zom-pirenena frantsay. Miandry "saisine" ny HCC, araka ny voalazan'ny lalàna, hoy izy... ♦ Hahazo zara tombony amin'ny QMM amin'izay ny Fanjakana Malagasy, anatin'ny fifanarahana vaovao amin'ny fitrandrahana fasi-mainty ataony any Taolagnaro... ♦ Hivoaka alohan'ny fanamarihana ny fetim-pirenena ny valim-panadinana CEPE 2023, hoy ny fampitam-baovaon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena...

♦ Roa andro mialoha ny hifaranan'ny fivoriana ara-potoanan'ny parlemantera no hifanatrika ny Solombavam-bahoaka sy ny mpikamban'ny Governemanta... ♦ Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny fifanarahana teo amin'ny Fanjakana Malagasy sy ny orinasa mpitrandraka fasi-mainty, QMM... ♦ Tsy mifanaraka loatra amin'ny zava-misy eto Madagasikara ny teny nambaran'ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina, nandritra ny fihaonana an-tampon'ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa, na ny OIT, hoy ny SSM...

♦ Mbola tsy mety tapitra ny resa-be naterak'ilay vaovao milaza ny fizakan'ny Filoham-pirenena ny zom-pirenena frantsay. Hampiova ny fitiavany an'i Madagasikara sy ny hitakiany ireo "Îles éparses" izany, hoy i Moussa Soalihy... ♦ Nanokatra fanadihadiana ny Oniversiten'Antananarivo, manoloana ny fiparitahan'ilay tranga mamoafady niseho teny Ankatso omaly... ♦ Nisehoana asan-dahalo mahery vaika indray tany Beakanga, Kaominina Vasiana, Distrikan'i Mandoto, androany. Namoizana ain'olona izany, ankoatra ireo omby 80 very, lasan'ireo dahalo...

♦ Laharana voalohany eran-tany amin'ny fanondranana jirofo i Madagasikara, 224 tapitrisa dolara ny vola azo tamin'izany ; laharana voalohany ihany koa amin'ny fananana ny cacao tsara kalitao indrindra eran-tany... ♦ Andro fahatelo amin'ny fanatanterahana ny Podium ny anio, ho an'ny ao Antananarivo renivohitra. Mifanindran-dalana amin'ny fetin'ny mozika, izay marihina eran-tany isaky ny 21 jona izany ho an'ny anio... ♦ Andray anjara voalohany amin'ny fiadiana ny ho tompon-daka eran-tany ny taranja basket, latsaky ny 19 taona, ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay, ny ekipam-pirenena Amerikana no hifanandrina amin'ny Ankoay voalohany, amin'ny 24 jona izao...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...