♦ Notendren'ny Papa François ho Eveka ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina... ♦ Nanatanteraka hetsika teny Analakely androany, ireo ampahany amin'ny mpiasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, noho ny mbola tsy nandraisan'izy ireo ny karama volana jona... ♦ Olana fototra nampitotongana ny sehatry ny lavanila ankehitriny, ny tsy fampiharan'ny mpitondra fanjakana ny fitsinjaram-pahefana, hoy ny Filoha Nasônalin'ny Antoko MMM, tany amin'ny Faritra Sava...

♦ Isan'ireo Kardinaly vaovao miisa 21 notendren'i Papa François, nampahafantarina omaly, ny lehiben'ny Fikambanana Saleziana maneran-tany, mompera Angel Fernandez ARTIME... ♦ Manatanteraka famangina ôfisialy any amin'ny Diôsezin'i Morondava, izay misy ny filohan'ny fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara ny Nonce Apôstôlika Thomas GRYSA, izay tonga tany an-toerana, omaly tolakandro... ♦ Sidina maromaro avy any ivelany, no mivantana avy hatrany ao Nosy-Be Hell Ville amin'izao fotoana tena mahabe ny mpizaha-tany any an-toerana izao. Kendrena ho avo roa heny tamin'ny mpitsidika tonga tany Nosy-Be tamin'ny 2019, ny ho tonga amin'ity taona ity...

♦ Tontosa omaly alahady nyEokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra sy fankasitrahana an'i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Arsevekan'Antananarivo, izay nahatratra ny taona hitsaharana amin'ny asa fitantanana ny Diôsezy... ♦ Fitenim-paritra faharoa nahavitana dika tenin'ny Baiboly, ny fiteny Tsimihety. Natolotra an'ireo vahoaka Tsimihety, tamin'ny sabotsy, tany Antsohihy izany... ♦ Milina afaka manodina mangahazo, ho lasa lafarinina no nomena ny tantsaha sy ny mpandraharaha any amin'ny Distrikan'i Mahanoro... 

♦ Mbola miala nenina miantso ny hisian'ny fikaonandoham-pirenena ny Hery Pôlitika Mitambatra. Manantena ny fakàn-kevitra ataon'ny FFKM ho tonga amin'izany dinika izany ny HPM... ♦ Efa misy akony amin'izao fangatahana ny hanangànana "maison de coopération" eo amin'i Madagasikara sy Mayotte. Miroso amin'izany ny fihaonan'izy ireo tamin'ny tompon'andraikitra teo anivon'ny Ministeran'ny Raharaham-Bahiny Frantsay, tany Paris... ♦ Efa misy in-dimy isan'andro ny fahatapahan-jiro eto Antananarivo amin'izao. Tsipahan'ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa MCI anefa ny fitadiavana vahiny hitantana ny orinasa Jirama...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...