♦ Natokana hanamarihana ny ady ho an'ny fitovian-jo feno ho an'ny vehivavy, ny andro anio 8 marsa... ♦ Tsy maintsy hirosoana ny fampiharana ny lalàna vaovao, ho an'ireo izay tratra manolana, hoy ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina... ♦ Miandrandra zotram-pifidianana malalaka, mangaragahara sy mampiaty ary azo itokisana, ireo fiarahamonim-pirenena miisa 22...
♦ Hitombo ny isan'ireo Solombavam-bahoaka handrafitra ny Antenimieram-pirenena. Misy ny kajikajy pôlitika ataon'ny fitondrana amin'izany, hoy ireo mpisehatra pôlitika sasantsasany... ♦ Nanamafy ny hirosoana amin'ny fampiharana ilay lalàna vaovao ho an'ireo mpanolana zaza ny Filoham-pirenena, androany... ♦ Nitombo avo enina heny, raha mitaha tamin'ny telo taona lasa, ireo Malagasy manao fizahan-tany anatiny. Tafakatra 63.000 ny isan'izy ireo tamin'ny taona 2023, araka ny antontan'isan'ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahan-tany...
♦ Hitohy hatramin'ny rahampitso ny oram-baratra amin'ny tapany atsimon'ny nosy. Mahazo fampitandremana miloko mena ny Faritra Atsimo-Atsinanana sy ny Distrika sasany ao amin'ny Faritra Anosy, Atsimo-Andrefana ary Menabe... ♦ Nampitomboana iray ka lasa 120 ny isan'ny disitrika eto Madagasikara. Natsangana ho distrika nandritra ny filan-kevitry ny ministra omaly ny ao Antanimora-Atsimo... ♦ Lesoka amin'ny fanomezana traik'efa ny tanora eto amintsika hoy nySendikan'ny Indostria eto Madagasikara ny tsy fahafahan'ny orinasa amin'ny sehatra tsy miankina mandray tanora manao fizaran'asa... ♦ Miantso ny fampisaharana haingana ny ady any Gaza ny fanjakàna any Chine...
♦ Nanao hetsika nanapaka lalana sy nandoro kodiarana omaly ny andian'olona eny amin'ny Fokontany Andohatapenaka-I ao Antananarivo renivohitra. Misy mivarotra an-tsokosoko ny tanin'izy ireo ka manaitra ny tompon'andraikitra mahefa izy ireo hanara-maso akaiky izany... ♦ Hanome tantsoroka ny federasiôna ivondronan'ny vehivavy mpandraharaha ao amin'ny faritry ny COMESA amin'ny fanatontosana ny tsenabe iraisam-pirenena Trade Fair andiany fahadimy atao eto Madagasikara ny ministera misahana ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra... ♦ Miatrika ny fanadinam-panjakàna fihodinana faharoa ireo mpianatry ny CNETMAD manodidina ny 17.000 miparitaka amin'ny ivon-toerana miisa 51 manerana ny Nosy...
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco