♦ Nifarana omaly ny fivahinianana masina notontosaina teo amin'ny Kalverin'Ankaboka, tao amin'ny Distrika Misiôneran'i Manaratsandry, Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Hotanterahana ny  6 ôktôbra 2024  ny ivon'ny fankalazana ny faha-130 taona niorenanan'ny fikambanan-dry Masera Carmelites de Sainte Thérèse de Turin, ka samy hanana ny endrika hankalazana izany avokoa ny ankohonam-piainana rehetra manerana an'i Madagasikara... ♦ Fanambin'ny Diôsezin'Ambositra ao anatin'ny 25 taona manaraka, ny fanamasinana ny fianakaviana sy ny tokantrano, araka ny nambaran'i Mgr Fidelis Rakotonarivo, Evekan'Ambositra...

[audio src="/images/sounds/mdl-20240902.mp3" background="#0099ffff"]

[Vaovao manokana] Alarobia 19 aogositra 2026

Notendren'ny Papa Leon xIV ho Eveka mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera MARIUSZ KASPERSKI, pretra avy amin'ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée (OMI), Curé ao amin'ny Paroasy Md Eugène de Mazanod, ao Toamasina.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...