♦ Natomboky ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny fitsidihana ny sampan-draharaha misahana ny fiainan'ny Eglizy maneran-tany, ny Viste ad limina, ny 24 ôktôbra 2022... ♦ Notanterahana tany amin'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy ny fanakalazana ny Andro Maneran-tany hivavahana ho an'ny fampielezana ny finoana eto Madagasikara ny 22 sy ny 23 ôktôbra 2022... ♦ Nosokafan'ny Papa François tamin'ny fomba ôfisialy ny alahady 23 ôktôbra 2022 ny fisoratana anarana amin'ny fandraisana anjara amin'ny JMJ Lisbonne 2023...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...