♦ Hanentanan’i Ray Masina François ho an’ity volana ôktôbra ity ny mba hivavahana ho an’ny Eglizy, ahafahany mandray ny fihainoana sy fifanalalozan-kevitra ho fomba fiaina amin’ny ambaratonga rehetra… ♦ Nihaona tamin’ireo lahika mpikatroka, pretra, relijiozy, seminarista, ny Arsevekan’ny Toliara… ♦ Ny Fanahy Masina no tompon’anjara voalohany amin’izao Sinaody izao ka mitondra ny fiainan’ny Eglizy hiroso hatrany, hoy ny Papa François, tamin’ny fanokafana ny Sinaodin’ny Eveka ny 4 ôktôbra 2023…

♦ Tontosa ny alahady 1 ôktôbra 2023 ny fametrahana araka ny fomban’ny Eglizy an’i Mgr Gustavo Bombini Espino, Arsevekan’ny Toliara… ♦ Niatrika ny famaranana ny Sinaody Diôsezanina andiany faha-2, ny 21 ka hatramin’ny 24 septambra 2023 ny Diosezin’i Moramanga… ♦ Ilaina ny fahatsoram-po sy ny fahamarinan’ny tsirairay, hoy ny fampianaran’i Papa François tamin’ny Angélus nataony omaly…

♦ Fo mirehidrehitra anaty; tongotra am-pandehanana; io no hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany hivavahana ho an'ny Misiôna, ny taona 2023... ♦ Notendrena tamin'ny talata 26 septambra 2023, ny Vikera Jeneraly ho an'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Niompana tanteraka tamin'ny fitsidihana apôstôlika faha-44 nataony tany Marseille, ny fampianaran'ny Papa François, ny alarobia lasa teo...

♦ Lahika manodidina ny 900 avy amin’ny Diôsezy 16 no nanatrika ny fankalazana ny andron’ny lahika nanomboka ny 22 ka hatramin’ny 24 septambra, tao amin’ny Diosezin’ny Mananjary... ♦ Nikarakara hazakazaka ho an’ny fandriam-pahalemana ny fandaharan’asa PCEE avy eo anivon’ny ivon-toerana Arrupe Faravohitra... ♦ Fitiavana maimaim-poana tsy misy tambiny no itiavan’Andriamanitra antsika. Io no votoanton’ny fampianaran’i Papa François nandritra ny Angelus omaly...

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...