Ny antsa dia karazan-dahabolana atao an-kira ; ara-kevitra dia mifanakaiky amin'ny fomba fanehoana ny "HANZAD" ity lahabolana ity. Ity farany izay lahabolana an-kira, ary manokana no mihira azy, dia ireo andriambavy ihany no mihira azy, lahabolana fankaherezana ny mpiantafika, ary tandindon'ny tanjaky ny fanjakàna. Misy teny sy lahabolana vitsy ireto heverina ho nipoiran'ny "ANTSA" dia ny ANZANG avy ao Gabon, ny MANSA avy ao Congo ary ny HANZAD izay avy amin'ny firenena maromaro ao Afrika-Andrefana...

Ny antsa dia karazan-dahabolana atao an-kira ; izy io dia tonom-bavaka firarian-tsoa, fanirian-tsoa sy fiderana ny mpanjaka fahizany. Mazàna dia arahina zava-maneno toy ny amponga, kipantsona sy ny lamako ny "antsa". Ny tsiarombavy na tsierombavy n mpiantsa azy io ; izy ireo dia vehivavy amin'ny mpanompon'ny mpanjaka fahiny izay niforona ho toy ny foko iray mihitsy. Ny tena anaovana ny "Antsa" dia ho fankalazana sy fiderana ny fiandrianan'ny mpanjaka, fa atao ihany koa ho fihobiana ny mpandresy an'ady avy niantafika. ...

Ny Taom-baovao sy ny alahamady ary ny alahamady be dia samy voasokajy ho ao anatin'ny kolon-tsaina malagasy. Raha fomba sy riba no misongadina kokoa amin'ny Taom-baovao sy alahamady dia ahitàna finoana kokoa ny alahamady be satria misy vavaka sy fangatahana amin'ireo manana ny satan'ny Razana, Zanahary ; ankoatra ireo taranaka andriana mpandala sy mpanamarika ity fotoana ity dia  fotoana hihaonan'ireo mpanazary manerana ny nosy amin'ny toerana voafaritra ihany koa io mba hanatanterahana fomba maro samihafa sy hifanakalozana traik'efa sy fahalalana mba entina hanasoavana ny vahoaka indray amin'ny taona hodiavina. Volana avrily no fotoana matetika fanamarihana ny alahamady be...

Ny volana Alohotsy no volana mamarana ny taona ka ny vody alohotsy no hitana amin'ny Alamady izay misy ny andro taom-baovao raha ny fankalazana nofaritan'ny Trano kolotoraly Malagasy. Ny antony nampisampana ny hevitra momba ny andro hanamarihana ny taom-baovao dia noho ny teny midina nomen'ireo andria-manjaka nitondra ny tany sy ny firenena ; maro no namadika ny taom-baovao hifanaraka amin'ny tsingerin-taona nahaterahany. Ny afo tsy maty dia azo alaina amin'ireo olona, izay velon-dray aman-dreny, manana afo mirehitra. Ny rano hidiovana na hanaovana fafirano dia rano nafanaina tamin'ny vilany tany vaovao na vilany vaovao, hapetraka eo an-joro firariazana, alaina amin'ny tanana ny rano ary hatao an-tampindoha ka harahina teny hoe : "sambasamba Andriamanitra Andriananahary, ho arivo ho tratry ny taona, tsy hisara-mianakavy izahay"...

[Miara-dàlana] Zoma 5 jolay 2024

♦ Tokony tsy hikely aina amin'ny fambolena, ny tantsaha: io no nanentanan'i Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana ny FTMTK tao amin'ny Diôsezin'i Toamasina, tamin'ny fanokafana ny Zaikabe androany... ♦ Mizotra mankany amin'ny fanarenana mandrakariva ny fiainana ary mila apetraka eo amin'Andriamanitra: io no hafatra ho an'ireo mpianatra tao amin'ny Lycée Saint Antoine, izay namarana ny taom-pianarana... ♦ Navoakan'ny Foibe misahana ny fampahalalam-baovao eo anivon'ny Fiketrahana Masina androany, ny fandaharam-potoanan'ny Papa François, mandritra ny fitsidihana apôstôlika hataony any amin'ny faritra Azia sy Oseania...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...