Ezaka maharitra ny fiezahana ho lavorary. Faniriantsika olombelona rehetra, indrindra fa ho antsika kristianina ny ho lavorary ary ny hahatongavana amin’izany no mahatonga antsika samy manao ezaka isanandro, indrindra amin’izao karemy izao. Fandinihana masina iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangandrainy,Sdb

Isan’ny hatsaram-panahy angatahin’i Jesoa amintsika mpanara-dia Azy ny famindram-po; “aoka ho mpamindra fo ianareo toy ny Rainareo mpamindra fo”. Ary isan’ireo ezaka lehibe tiantsika hianana mandritra izao karemy izao izany. Fa inona ary moa ny famindram-po ary inona no ataontsika mba ho mpamindra fo koa isika? Fandinihana masina iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangandrainy,Sdb

Anisan’ny ezaka lehibe iray izay ilofosantsika ny vavaka mandritra izao karemy izao. I Jesoa zokintsika mihitsy aza no mampirisika antsika hivavaka ary hanana faharetana sy fitokisana tanteraka fa hivaly ny vavaka ataontsika. Ezaka tsy maintsy atao ny hananana toe-po vonona hiasa sy mandray andraikitra. Fandinihina masina iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangandrainy,Sdb

Tohizantsika hatrany izao fandinihana sy fibanjinana masina ataotsika izao ka androany indray isika dia hifampizara ny hoe: “toe-po sy toe-panahin’ny olona mivavaka”. Fandinihina masina iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangindrainy, Sdb

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...