Alarobia 21 jolay 2021 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 1-9

"Izay manan-tsofina hihainoana aoka izy hihaino". Araka izany tenin’i Jesoa izany dia mirakitra ny fomba fihainoana ny tenin’Andriamanitra no fonosin’ny fanoharana ataon’i Jesoa androany. Raha takarina dia hoe misy ireo manentsina ny sofiny tsy hihaino sy tsy handre ny tenin’Andriamanitra. Ny antony dia noho ny fitsaratsarana fahatany mialoha, hany ka manampina ny sofiny. Misy ihany koa marenina tsy fidiny noho ny fihainoana ny tabataban’izao tontolo izao. Manjary tsisy fahatoniana ara-panahy fa korontan-dava etsy sy eroa no mamolavola ny fiainana isan’andro. Toa lasa tsy heno intsony ny feon’Andriamanitra sy ny bitsiky ny Fanahy, ka zary very fanahy mbola velona ny ankamaroan’ny olona ankehitriny.

Etsy andanin’izay ihany koa, misy ireo mandray ny tenin’Andriamanitra ka manao izany ho fitaovana entina miaro ny heviny. Lasa atao fitaovana handresen-dahatra ny tenin’Andriamanitra mba hiarovana ny tombon-tsoa kely. Ny ao antsain’izay manao an’izany dia hoe rehefa mampiasa tenin’Andriamanitra dia hoe tsy maintsy marina izay lazaina. Tena mifanohitra amin’ny hevitr’Andriamanitra anefa izany.

Ankoatra izay, misy ireo mihaino ny tenin’Andriamanitra, saingy tsy manam-paharetana. Variana loatra amin’ny rotorotom-piainana ka indraindray toa milaza ho tsy manam-potoana lava andehanana any am-piangonana hihainoana ny tenin’Andriamanitra. Mba firifiry moa ny olona no mba liana mihaino ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny radio ? Mba firifiry ny olona no mifantoka tsara amin’ny fizarana ny tenin’Andriamanitra sy ny toriteny any am-piangonana ?

Ry havana, manan-danja ny tenin’Andriamanitra, velona sy mahery. Toriana amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra ny tenin’Andriamanitra. Sakafom-panahy sy aina mamelona ny Fiangonana. Tadidio tsara fa na dia ny demony aza dia mahay tsara ny Soratra Masina ary maka sy mandray izany hatao fitaovana handrebirebena ny sain’olona. Natao ho antsika ny tenin’Andriamanitra, koa raiso sy hihaino ary ataovy tonga nofo eo amin’ny fiainantsika.

Na aiza tany aleha, tsy mba irery aho, fa i Jesoa Tompo no naniraka Ahy. Ny teninao Tompo ô, no faniloko, ny lalanao ô ry Ray ô, no tianay aleha. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...