Alarobia 14 avrily 2021 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 16-21

Araka ny voalazan’ny Evanjely nohenointsika dia tian’Andriamanitra izao tontolo izao. Miainga avy amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra satria Fitiavana Izy. I Jesoa no nampianatra ireo mpianany hivavaka ka hiantso an’Andriamanitra hoe Ray ; amafisin’ilay vavaka ataontsika isan’andro izany manao hoe “Rainay any an-danitra”. Koa Ray tia antsika Izy. Tena tian’Andriamanitra izao tontolo izao, ny olona rehetra. Porofon’izany ny nanomezany ny Zanany lahitokana ho famonjena antsika. Fanomezana ambony indrindra sy lavorary indrindra àry no nomeny antsika dia ny Zanany.

Rehefa mibanjina an’i Jesoa isika dia mahatsapa fa Izy no fanomezana sarobidy indrindra. Ny Aina, ny fiainana dia avy amin’Andriamanitra, ka tsy ny aina fotsiny no omeny fa ny fiainana mandrakizay mihintsy. Nampita ny aina amin’ny zavaboariny Izy ary mampita amintsika ny aina tsy mety maty mandrakizay amin’ny alalan’i Jesoa Mofon’aina, i Jesoa nitsangan-ko velona. Tsy vitan’ny hoe loharano iavian’ny Aina Izy fa mbola miantoka hampaharitra io aina io ao amintsika. Tena tia antsika Andriamanitra hany ka tsy ny hanameloka antsika no ho fandaharany fa ny hamonjy antsika ; antony nahatongavan’i Jesoa eto an-tany.

Miainga ao amintsika kosa ny safidy na handray ny famonjena isika na tsia. Tsy manery fa manaja ny safiditsika Andriamanitra, saingy manolo-tanana antsika mba handraisantsika ny Famonjena. Ny finoana ihany no antoka ahazoantsika io famonjena io. Indrisy anefa fa matetika isika mirona any amin’ny ratsy, misafidy hiaina ao anatin’ny haizina, mandositra ny hazavana, mandositra an’i Jesoa Fahazavan’izao tontolo izao. Izao vanin’andro ny Paka izao indrindra no iezahantsika hanatona ny Fahazavana, dia i Jesoa nitsangan-ko velona. Izy no Jiro mirehitra mandroaka ny haizina mandrakotra ny fiainantsika. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...