Ny tontolo iainana dia ireo rehetra manodidina sy iankinan'ny fiainantsika olombelona toy ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny rano, ny rivotra, ny masoandro, ny zava-maniry, ny ranomasina. Fahasalamana mira aina, raha misy fahasimbana ireo voatanisa eo aloha ireo dia misy fiatraikany amin'ny fahasalamana. Ohatra ny fahalotoan'ny rivotra dia miteraka olana amin'ny taovam-pisefona, miteraka tsy fahasalamana lasa mikohoka, voan'ny sery, sepotra. Ny rano misy loto dia miteraka aretina maro...

Voadona indray ny seha-piharian'ny tantsaha mpiompy omby indrindra ny omby vavy be ronono ao anatin'ny faritra Vakinankaratra nanomboka ny faraparan'ny volana oktobra lasa teo nitohy tamin'ity volana novambra ity. Nihanaka mantsy ny valan'aretina mahazo ny omby, ka tsy afa-bela na ny omby miasa eny antsaha na ny omby vavy be ronono.

Loza mananontanona efatra lehibe ihany no tsongaina androany ; raha tsy mifankahery sy mifanohana isika rehetra dia mitondra mankany amin'ny aretina sy mety ho fahafatesana daholo : ny fahalotoan'ny rivotra iainana, ny valanaretina covid-19, ny tsy fahampian-drano saika manerana ny faritra maro eto Madagasikara, ary ny fahaefatra dia ny fahantrana lalina.

Maro ny endrika ahafahana maneho fitiavana. Ny endrika fahaefatry ny fanehoana fitiavana dia ny fanomezana. Mba hiainana ny tena fitiavana dia irina mba ho tanteraka izay "fanomezana" izay, amin'ny lafiny maro, eo amin'ny fianankaviana sy ny namana, ary indrindra eo amin'ny mpivady sy mpifankatia. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...