Ny mandrafitra ny fianakaviana dia ny mpivady sy ny zanany, na vondron'olona nakamban'ny karazam-pamatorana misy, ao anatin'ny fiaraha-monina. Hatraiza anefa ny anjara toerana omentsika ny fianakaviana eo amin'ny fiainantsika tsirairay avy, ary inona no toe-tsaina hoentina rehefa miaina eo anivon'ny fianakaviana. Voajanahary ny fahaleovantena sy ny fivelarana ho an'ny olona tsirairay rehefa misaraka amin'ny ray aman-dreny. Ny anjara toeran'ny fianankaviana dia tokony hivoatra mifanaraka amin'ny zava-misy : mitaiza, manabe, ary rehefa lehibe maleho tena dia  mifanoro lalana. Mila mizatra mitondra tena ny tsirairay mba hampivelatra ny tsirairay.

Ny "Branchiolite" dia aretina mpahazo ny avokavoka ary nirongatra be tao anatin'ny volana iray izay. Ny "branchiolite" dia aretin'ny taovam-pisefona mpahazo ny olona maro indrindra ny zaza latsaky ny telo taona. Ny fomba fiombony : fanafihan'ny tsimok'aretina ny fantsona na ny lalan-drivotra madinika hatao hoe " Branchiole", ka mivonto na tsentsina. Fomba fisehony : sahirana be rehefa miaina, tsentsina ny orina, mikohaka maina...

Nandrombaka ny medaly volamena ho an’ny taty Afrika sy ny ranomasimbe Indiana tamin’ny fifaninanana eran-tany amin’ny famokarana cacao mifanaraka amin’ny kalitao takian’ny tsena iraisam-pirenena ny tantsaha ao amin’ny vondron’ny kaoperativa « Lazan’i Sambirano » any amin’iny Faritra Diana iny tamin’ny taon-dasa. Mbola tantsaha ao aminy koa no nahazo ny medaly alimo.

Ny tanjon'ny fanambadiana dia ny fiainan'ny mpivady ny fifankatiavana maharitra. Ao anatin'ny voadin'ny fanekena ny hoe "na inon-kidona na inon-kihatra, na an-kasoavana na an-karatsiana". Mamelona ny fifankatiavana ny fiainana izany miaraka : miara-dalana mba hamelo-maso ilay fifankatiavana hatramin'ny voalohany, ka hahatonga izany ho lavorary ho an'ny tanjona iombonana.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...