Fikambanana mitondra ny anjara birikiny amin'ny asa fampandrosoana ny eny ambanivohitra ny "Tsara Voatra". Andriamatoa Mamy Razanakolona no filohan'ny fikambanana. Tsy zoviana amin'ireo tantsaha ato amin'ny Faritra Analamanga amin'ny sehatr'asa fampandrosoana izay.
Rehefa tsapan'ny vahoaka tsirairay ao anatin'ny firenena iray fa azy ny fireneny dia miezaka izy manao ny anjara tandrify azy hahatsara azy, hahasoa azy, na dia hamoizany ny ainy aza. Tsy manana fahamendrehana ny olona tsy misy tanindrazana, tsy misy faneva, tsy fantatra avy aiza. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny vehivavy dia manana ny lanjany amin'ny fampandrosoana ny firenena. Manana adidy ny vehivavy manoloana ny tolom-panafahana amin'ny alalan'ny firaisan-kina ho an'ny tanindrazana. Fahaleovan-tena mampisalasala no azon'ny Malagasy, noho izany dia amin'ny endrika hafa no handraisan'ny vehivavy an-tanana ny fanohizana ny tolom-panafahana. Amin'ny alalan'ny asa isan-karazany no hanatontosany izany. Manao ny ezaka rehetra ny vehivavy, maneho firaisan-kina mba ahafahana mampandroso ny tanindrazana ary mba ho lovain-jafy, amin'ny lafiny fihariana, sy ny fanabeazana, fifanampiana amin'ny lehilahy. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
25% amin'ny mponina maneran-tany dia voakasiky ny tsy fahampian-dra avokoa, ny 42% amin'ny zaza latsaky ny 5 taona, ny 40% amin'ny vehivavy mitondra vohoka ary iray ampaha-telon'ny vehivavy ao amin'ny taona ahafahana miteraka, ireo ihany koa dia miaina ao anatin'izany tsy fahasalamana izany. Ny atao hoe tsy fahampian-dra : tsy fahampian'ny sela mena ao anatin'ny ra, izay mampihena ny tahan'ny rivotra tonga any amin'ny taova rehetra ka mahatonga sehon'aretina samihafa. 120 andro ny faharetan'ny fiainan'ny sela mena iray, 1% ny sela mena dia ilaina havaozina isan'andro. Ny antony dia tsy fahampiana "Fer" Vitamine B12-B9, na fahaverezan-dra, fisiana kankana. Fambara : hatsatra, reraka lava, fihenan'ny tosi-dra...
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco