Matahotra ny olona momba ny VIH/Sida. Matahotra ny valin'ny fitiliana raha sanatria mitodra tsimokaretina, ny fiaraha-monina, ny vokatr'izany eo amin'ny fiainana. Mila miray hina sy mandray andraikitra ny rehetra handresena ny fipariahan'ny VIH sy ny Sida sy handresy ny tahotra...

Ny fikambanana "ecovilllage de madagascar" dia mivohy ny tetikasa fambolena lovain-jafy. Fikambanana niorina tamin'ny taona 2014, misehatra amin'ny fampiofanana marolafy, fiankaviana 18 ankehitriny no mandrafitra azy. Sotoavina iainan'ny fikambanana: Fanajana ny tontolo iainana (tany...), fanajana ny maha-olona, fahaizana mizara. Tanjona : Fahavitan-tena ara-tsakafo miitatra amin'ny ara-toekarena sy ny fahasalamana...

Endrika ivelany miteraka fihetsepo amin' izay rehetra omena azy ny fanomezana. (25-11-2020)

Ny fanolanana dia fanaovana herisetra mahakasika ny mahalahy na ny mahavavy, izany hoe ireo faritra manentana ho amin'ny firaisana ara-nofo. Ny vady ao an-trano dia misy fotoana voasokajy ho mpanolana rehefa tsy eken'ny ankilany izany hoe ilay vady ny firaisana ara-nofo amin'ny maha mpivady azy, na ny lahy na ny vavy no manery. Ny zaza tsy nisitraka ny nonon-dreny na naharitra tamin'ny nono dia tsy afaka mifehy ny sainy intsony ka lasa miteraka fitsiriritana noho ilay fanabeazana... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...