Hoy ny Raimasina indray andro : nihaona tamin'ny olona iray efa nahazo taona aho, olona tsara sady tena kristiana, fa mpanota teo anatrehan'Andriamanitra ; hoy io olona io hoe hanampy azy Andriamanitra ary tsy mamela azy irery ; feno fanantenana izy ny ho tonga any amparadisa, mety anaty tsy fahamendrehana aho hoy izy fa ho tody any, mino izy fa Andriamanitra dia mamonjy ny very. Katesizy momba an'i Jakoba, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
13 jolay 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjey Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 24-33)
Mitolona amin'Andriamanitra, endriky ny vavaka, hatramin'izay i Jakôba dia efa afaka niresaka tamin'Andriamanitra toy ny amin'ny namana sy ny olona akiaky. Indray alina dia nahatapa i Jakoba fa misy zavatra maro tsy voafehiny, tamin'io fotoana io no naverin'Andriamanitra amin'ny fahatsapany ny maha olona misy fetra azy izy, mety ho resy sy matahotra ary mitebiteby. Katesizy momba an'i Jakoba, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
12 jolay 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Hamirapiratra tahaka ny fahazavan’izao tontolo izao ianao, raha mitana ny tenin’ny fahamarinana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 16-23)
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco