Nandray ny fahasoavana manokana ho mpanamasina, ho mpampianatra ary mpiandry ondry, mpitantana ireo nandray ny Sakramentan'ny Filaharana, noho izany dia voatokana ho maka fanapahan-kevitra noho izy mpisolo toerana an'i Kristy. Ireo mpiandry ondry dia aoka hitantana ireo andian'ondry nankinina taminy amim-panajàna, am-pitiavana ary amim-pahendrena, indrindra rehefa manankina andraikitra amin'ireo Lahika... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
Ny Lahika dia tokony ho tia sy hanaja ny zava-boary fa ireny indindra no maneho ny fahefan'Andriamanitra ary enti-midera sy manome voninahitra Azy Mpahary. Manaja ny Mpahary isika rehefa manaja ny zavatra nohariany. Tena manana adidy tsy azo ialàna ny isam-batan'olona manambatra ny hery, manaja ny kolontsaina voadion'ny Evenjely, manaja ireo soatoavina, manaja ny hasin'ny olombelona... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
Maro ireo Sakramenta mamelona ny finoana tsy ho lefy ; miavaka indindra amin'izany ny Sakramentan'ny fanambadiana sy ny fifankatiavan'ny mpianakavy, ireo dia famantaram-pinoana lehibe ho an'ny Lahika. Mpanjakan'ny zava-boary ny olombelona. Ny fanompoana no lalana hanamasinan-tena ary ny fanetren-tena sy ny fandeferana no hatsaram-panahy entina mampanjaka an'i Kristy... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
30 jona — Anisan’ireo olomasina malaza ao Aquitaine i Martial satria mahatratra 23 ireo tanana mitondra ny anarany ary maro ireo fiangonana ary paroasy eo ambany fiarovany. Izy no evaka voalohany tao Limoges iray amin’ireo eveka fito avy any Roma nalefa tany Gaule tamin’ny taona 250.
• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco