Ankalazaina izao 11 janoary izao i Masindahy Paulin d'Aquilée. Teraka teo anelanelan'ny taona 730 sy 740 tao Premariacco faritanin'i Udine i Paulin. Fanta-daza tamin'ny fahaizana sy ny fahalalana izy satria mpanoratra izy. I Alcuin dia nifidy azy ho mpampianatra ary ny Amperora Charlemagne dia niantso azy ho mpanolo-tsaina tao an-dapa indrindra ny amin'ny ara-pivavahana.

Rehefa mivavaka isika dia tahaka ny boka nositranina, tahaka an'i Bartime jamba nahazo fahiratana, Lazara izay efa maty ary nalevina tany am-pasana saingy nahazo ny fiainana vaovao avy amin'i Jesoa Kristy. Manasitrana antsika ny vavaka tahaka an'i Bartime sy ireo marary maro hafa sitrana. Ny fandinihana kristianina dia mitondra antsika amin'ny resadresaka amin'i Jesoa. Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

Tsaroana amin'izao 10 janoary izao i Masindahy Guillaume de Bourges. Teraka tamin'ny taona 1110 avy amin'ny fianakavian'ny Comte tao Nevers i Guillaume. Bodouin de Corbeil sy Estachie de Chatillon no ray aman-dreniny. Olona tia vavaka sy nifototra tamin'ny fianarana ary tia mandini-tena ihany koa i Guillaume.

Ny toetran'i Jesoa Kristy manontolo na amin'ny maha-olombelona na amin'ny maha Andriamanitra Azy dia samy manampy hahazoana ny famonjena sy ny fahasambarana daholo. Ny fotoana rehetra niainan'i Jesoa teto an-tany noho ny fahasoavan'ny vavaka dia azo raisina ho fiainantsika ankehitriny, azo isintonana voka-tsoa ara-panahy, izay tsy inona fa fahasoavan'ny "méditation". Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...